General
MPAMARITRA ISA
1. Famaritana
Ny atao hoe mpamaritra isa dia teny entina ilazana isan-javatra na laharan-javatra ka sady afaka mitana anjara asa fototra sy fameno. Tsy azo atao verindroa raha tsy asiana “tsi-” na “ki-”eo alohany.
2. Karazany
Misy karazany enina amin’ny ankapobeny ny mpamaritra isa:
a) Mpamaritra isa milaza isa:
Fototeny izy io; ka raha ampiarahina amin’ny tsirin-teny dia lasa mahazo karazany hafa.
Oh : iray, roa,…
b) Mpamaritra isa milaza laharana
Ahitana tovana « faha- » mandrakariva izy ireo ankoatra ny voalohany. Atambatra fa tsy asiana tsipi-panohizana ny fanoratana azy
Oh : faharoa, fahatelo, fahefatra, fahenina, ….
d) Mpamaritra isa milaza ampahany
Hatevenina amin’ny tsirin-teny « am-paha-…-ny» izy ireo. Atambatra fa tsy asiana tsipi-panohizana ny fanoratana azy.
Oh : ampahatelony, ampahafolony, ….
e) Mpamaritra isa manambara fampitomboana
Tovonana « in- » eo alohany ka raha miatomboka amin’ny « f » na « v » ilay isa dia miova ho « m » ny « n ».
Oh : indroa, intelo, impolo, imbalo, ….
f) Mpamaritra isa milaza fe-potoana
Ilazana fetr’andro izy io.
Hatevenina amin’ny alalan’ny tsirin-teny sara-droa « ha……ana » izy ireo ka matetika dia ny roa hatramin’ny valo ihany no ampiasana azy satria raha mihoatra an’izay dia lasa herinandro indray no isaina.
Oh: Hateloana: ha-telo-ana
Hefarana: h(a)-efatra-ana
Hadimiana: ha-dimi-ana
Henemana: h(a)-enina-ana
Hafitoana: ha-fito-ana
Havaloana: ha-valo-ana …
g) Mpamaritra isa manambara ny laharan’ny fampitomboana
Hatevenina amin’ny « fan-in » ny mpamaritra isa fototeny.
Oh : fanindroany : fan-in-roa-ny
Fanindiminy : fan-in-dimi-ny
Fanintelony : fan-in-telo-ny
NY MPAMPIFANDRAY
1. Famaritana
Ny atao hoe mpampifandray dia teny kely mampifandray teny roa na moramora; na koa fehezan-kevitra ao anaty fehezan-teny iray; ka tsy afaka mitana anjara asa fototra.
2. Ny karazany
2.1 Ny mpampitohy
Ny mpampitohy dia teny kely mampifandray teny roa na maromaro mitovy anjara asa na koa fehezan-kevitra samy mahaleo tena.
Oh: Mamangy sady mampionona ny mana-manjo ny mpiara-monina.
EM EM
Mividy vary sy laoka ary siramamy izy ireo.
RF RF RF
Mifanampy izy ireo ary vitaina ny raharaha rehetra.
FHZK1 FHZK2
Ny mpampitohy teny sy ny mpampitohy fehezan-kevitra dia mitovy ihany amin’ny ankapobeny.
Ireto avy ny mpampitohy fahita matetika: sy, ary, dia, sady, no, kanefa, nefa, ka, fa, saingy, aman(a), ...
2.2 Ny mpampiankina
Ny mpampiankina dia teny kely mampifandray teny roa tsy mitovy anjara asa na koa fehezan-kevitra mifampiankina.
Misy karazany roa ny mpampiankina:
· Ny mpampiankin-teny:
Teny kely mampifandray teny roa tsy mitovy anjara asa.
Oh: Nahafaly an’i Neny izany
EM RF L
Miresaka amin’ny ray aman-dreniny izy
EM RF L
Ireto avy ny mpampiankin-teny fahita matetika: an(a), amin(a), noho ny, ohatra ny, hatry ny, fony.
Ny hevitry ny Mpampiankin-teny :Amina, amin’ny: milaza toerana, fotoana, fitaovana
Oh: Miditra amin’ny fito izahay.
Hatry: milaza vanim-potoana fony: milaza faharetana
Oh: Naratra hatry ny fony kely io.
· Ny mpampiankina fehezan-kevitra
Teny kely mampifandray teny roa na maromaro
Oh: Misasa ny mana-manjo rehefa vita ny fandevenana
Fhzk1 Fhkz2
Ireto avy ireo mpampiankina fehezan-kevitra fahita matetika: raha, rehefa, satria, raha toa ka, nony, sao, dia, hany ka, ndrao, ho, matoa, noho, mba, mba ho…
Ny hevitry ny mpampiankina fehezan-kevitra
Raha, raha toa ka: milaza fepetra
Oh: Faly ny Ray aman-dreny raha hendry ny zanany.
Mba, mba ho: milaza tanjona na fikendren-javatra
Oh: Mianatra ny ankizy mba ho tafita.
Satria, fa, noho ny, matoa: milaza anton-javatra
Oh: Voasazy noho ny ditrany i Lita.
Sahirana izy matoa tsy tonga.
Ka, hany ka: milaza voka-javatra
Oh: Mianjera izy hany ka naratra.
Rehefa, nony: milaza fotoana
Oh: Nony tonga ny reniny dia nangina izy.
Ndrao, sao: milaza fepetra miaro ahiahy
Oh: Tandreno sao hadino ny hafatra.
Mitondrà ihany vatsy ndrao alina vao tonga.
Fanamarihana
Mpampiankina ny “fa” raha azo soloina “raha” na “satria” fa mpampitohy kosa izy raha toa ka azo soloina “nefa” na “kanefa”