General
MPISOLO MANONDRO
Fandinihana
- Mitady an’ireny izy.
RF
- Raiso ireo.
L
- Ireto ny azy.
EM
- Teny entina misolo zavatra na toerana tondroina.
- Teny afaka mitana anjara asa fototra sy fameno.
- Miantomboka amin’ny « i ».
1. Famaritana
Ny atao hoe mpisolo manondro dia teny misolo olona na biby na zavatra tondroina ka afaka mitana anjara asa fototra na fameno.
Miantomboka amin’ny « i- » mandrakariva ny mpisolo manondro. Noho izany voasoritra avokoa izy rehetra.
2. Ny firafiny
Manana firafitra azo rasaina koa ny mpisolo manondro
A
B
D
Voninkazo io.
Voninkazo ito.
Voninkazo itsy.
Voninkazo iny.
Voninkazo irỳ.
Fasika ireo.
Fasika ireto.
Fasika iretsy.
Fasika ireny.
Fasika irerỳ.
Rivotra izao.
Rivotra izato.
Rivotra izatsy.
Rivotra izany.
Rivotra izarỳ.
i - Æ - Æ - o
i - Æ - t - o
i - Æ - ts - y
i - Æ - n - y
i - Æ - r - y
i - re - Æ - o
i - re - t - o
i - re - ts - y
i - re - n - y
i - re - r - y
i - za - Æ - o
i - za - t - o
i - za - ts - y
i - za - n - y
i - za - r - y
Mpanoritra
Milaza tokana
Halavirana
Maneho mifintina na mivelatra
Mpanoritra
Milaza fahamaroana
Halavirana
Maneho mifintina sy mivelatra
Mpanoritra
Milaza tsy hita maso
Halavirana
Maneho mifintina sy mivelatra
Araka io firafiny io dia mpisolo toerana nasiana mpanoritra ihany ny mpisolo manondro. Avy eo norafetana -r-(maneho fahamaroana) sy -z-(maneho tsy hita maso) dia lasa mpisolo manondro
3. Karazany
Misy karazany telo ny mpisolo manondro:
· Mpisolo manondro zavatra tokana
Ireto avy izy ireo: io, ito, ity, itsy, iry, iroa….
· Mpisolo manondro zavatra maro
Misy « -re- » eo afovoany araka ny firafiny
Ireto avy izy ireo: ireo, ireto, iretsy, ireny, irery, ireroa…
· Mpisolo manondro zavatra tsy hita maso
Misy « -za- » eo afovoany araka ny firafiny
Ireto avy izy ireo: izao, izato, izatsy, izany, izary, izaroa
Fanamarihana:
· Mbola azo anavahana azy koa ny renifeo eo afovoany sy ny zana-peo farany.
· Renifeo afovoany : maneho halavirana
t - akaiky oh : ity, ireto, izato
r - lavitra oh : iry, izary, irery
· Zana-peo farany : maneho mifintina na mivelatra
« -o » : mifintina oh : io, ito, izao
« -y » : mivelatra oh : iny, irery, izary
· Misy koa ny mpisolo manondro izay manondro sokajin-javatra na andian-javatra mitovy karazana
Oh : itony, irony
Firafiny : i - t - ony t : akaiky
i - r - ony r : lavitra
Hita maso
Toerana misy ilay miteny
Toerana ivelan’ilay miteny
Elanelan’ilay miteny sy ny zavatra tondroina
Fisehony
Mifintina
mivelatra
Mifintina
Mivelatra
Akaiky
Akaikikaiky
Lavi-davitra
Lavitra be
Tokana
Eto, ity
-
io
Iny
itsy
itsy
iroa
iry
Maro
ireto
-
ireo
Ireny
iretsy
iretsy
ireroa
irery
Karazany
Itony
-
itsony
irony
Tsy hita maso
Tokana sy maro
izato
izatsy
Izao
izay
Izany
izatsy
izatsy
izatsy
izaroa
Karazany
Izatony
-
izatsony
izarony