Allgemeines
NY MPISOLO TENA
Fandinihana
Efa lany ny volako; fa azy ity.
EM (misolo olona)
Nahazo voalavo ny saka; ka nahafaly azy izany.
RF (misolo biby)
Nianjera ny seza ary tapaka ilay izy.
L (misolo zavatra)
ðTeny entina misolo olona, na biby na zavatra.
ð Teny afaka mitana anjara asa fototra
Lah 1 : mijery aho (izaho)
2 : Mijery ianao
3 : Mijery izy
4 : Mijery isika
5 : Mijery izahay
6 : Mijery ianareo
7 : Mijery izy ireo
Ahy ity
Anao ity
Azy ity
Antsika ity
Anay ity
Anareo ity
Azy ireo ity
Jereko ity
Jerenao ity
Jereny ity
Jerentsika ity
Jerenay ity
Jerenareo ity
Jereny ity
Afako io
Afakao io
Afany io
Afatsika io
Afakay io
Afakareo io
Afany io
1. Famaritana
Ny atao hoe mpisolo tena dia teny misolo olona na biby na zavatra tsy tiana ho tenenina ao anaty fehezanteny ka afaka mitana anjara asa fototra sy fameno.
Miova endrika izy isaky ny miova anjara asa.
2. Karazany
Misy karazany roa ny mpisolo-tena
2.1 Mpisolo tena mahaleo tena
Mbola misy karazany roa ihany koa ny mpisolo tena mahaleo tena.
· Mpisolo tena mahaleo tena voasoritra
Saika miantomboka amin’ny « i- » avokoa izy ireo.
Ireto avy: izaho, ianao, izy, isika, izahay, ianareo, izy ireo
· Mpisolo-ena mahaleo-tena tsy voasoritra
Saika miantomboka amin’ny « a- » avokoa izy ireo:
Ireto avy: ahy, anao, azy, antsika, anay, anareo, azy ireo.
2.2 Mpisolo-tena tampisaka
Mbola misy karazany roa ihany koa ny mpisolo tena tampisaka fa ny iraisany dia izy samy miraikitra amin’ny teny iarahany:
· Mpisolo-tena tampisaka feno
Mitampisaka mandrakariva amin’ny teny mitsatoka na teny mingadona na teny mitsaikona miafara amin’ny «-na » izy ireo.
Ireto avy: -ko, -nao, -ny, -nay, -nareo, -ntsika, -ny.
· Mpisolo-tena tampisaka tsy feno
Mitampisaka mandrakariva amin’ny teny mingadona miafara amin’ny « -ka » sy ny « -tra » mandrakariva izy ireo.
Ireto avy: -o, -ao, -ny, -ay, -areo, -tsika, -ny
Fanamarihana:
- Mbola azo anavahana ny karazana mpisolo tena ihany koa ny habetsahan’ny olona soloina na ny Lah 1, Lah 2, Lah 3, dia misolo olona tokana fa ny Lah 4, Lah 5, Lah 6, Lah 7 kosa dia misolo olona maro.
- Ny Lah 4 dia tsy manavaka na mangaro fa ny Lah 5 dia manavaka na manilika.
- Rehefa mitampisaka amin’ny EM ny mpisolo tena dia tsy maintsy mitana ny anjara asa RF.
Fafana mamintina
Sokajy
Mahaleo tena
Tampisaka
Voasoritra
Tsy voasoritra
Feno
Tsy feno
Misolo olona tokana
Izaho (aho:mahasori-tena )
Ianao
Izy
Ahy
Anao
Azy
-ko
-nao
-ny
-o
-ao
-ny
Misolo olona maro
Isika (mangaro)
Izahay (manavaka)
Ianareo
Izy ireo
Atsika (mangaro)
Anay (manavaka)
Anareo
Azy ireo
-ntsika (mangaro)
-nay (manavaka)
-nareo
-ny
-tsika (mangaro)
-ay (manavaka)
-areo
-ny