General
TAMBINTENY SY MPANAMPY
Fandinihana
Te hijery sinema Ratovo.
Mila ho voan’ny fakam-panahy izy.
Mitoto ny vary rehetra ny ankizy.
Mitsahatra ihany ny orana
ð Tsy azo atao EM, L, RF
ð Manova ny hevitry ny teny faritany sy ny fehezanteny izy.
ð Mipetraka eo aloha na ao aorian’ny teny faritany.
A. Tambin-teny
1. Famaritana
Ny atao hoe tambinteny dia teny hafa ankoatry ny EM, L, RF ka tsy afaka mandeha irery fa mameno sy manova ny hevitry ny teny ao aoriana. Mipetraka mandrakariva aorian’ny teny faritany izy.
Oh: Aleo vandana imaso toy izay vandana ivoho
2. Karazany
Misy karazany roa ny tambinteny:
- Ny tambinteny tsotra na tena tambinteny
Ireto avy no fahita matetika :
Ihany, mihitsy, angamba, tokoa, etoana, fotsiny, imaso, ivoho, foana, matetika, loatra, intsony …. sns
Oh: Tonga ihany ny fanampiana.
Tsara tokoa ireo sakafo tonga.
Faly mihitsy ny vahoaka mahita ireo fanomezana.
- Tambinteny mety miendrika mpamari-toetra
Ireto avy no fahita matetika:
velona, mafy, tsara, … sns
Oh : Kamo velona izy.
EM Tambinteny L
Mitsoka mafy ny rivotra
EM Tambinteny L
B. Mpanampy
1. Famaritana:
Ny atao hoe mpanampy dia teny hafa ankoatran’ny EM, L, RF ka tsy afaka mandeha irery fa mameno ny hevitry ny teny eo akaikiny. Mipetraka eo alohan’ny teny faritany mandrakariva izy.
2. Karazany
· Misy karazany roa izy raha jerena amin’ny lafiny anjara asa:
- Mpanampy EM
- Mpanampy L
· Mbola azo zaraina roa koa izy amin’ny lafiny filaza:
- Mpanampy filaza tsotra
- Mpanampy filaza mandidy
· Mbola azo zaraina telo koa izy raha jerena amin’ny filazam-potoana eo amin’ilay teny faritany:
- Mpanampy mialoha ny ho avy
- Mpanampy mialoha ny ankehitriny sy ny lasa
- Mpanampy miaraka amin’ny filazam-potoana rehetra.
a) Ny mpanampy entimilaza: Apetraka eo alohan’ny EM.
Ireto avy no fahita matetika fa saingy mety ho anarana iombonana koa izy: fa, te, ta, tokony, mbola, tena, olona, ankizy … sns
Oh: Olona tia vaky boky izy.
Mpanampy EM L
Lehilahy mavitrika Rakoto.
Mpanampy EM L
b) Ny mpanampy lazaina : Roa ihany ny mpanampy L:
ireo avy: avokoa, daholo (jiaby, aby, … ho an’ny fitenim-paritra)
Oh : Ianaranay avokoa ny asosorany.
EM TV Mpanampy L
Tonga daholo izahay androany.
EM TV Mpanampy L
d) Ny mpanampy filaza tsotra:
Samy, tsy,…
Oh : Tsy avy ny orana.
Mpanampy
Samy miezaka ny tsirairay.
Mpanampy
e) Ny mpanampy filaza mandidy:
Aza, mba, samia, …
Oh : Aza maditra ianao.
Mpanampy
Mba mianatra tsara.
Mpanampy
Samia mihaino tsara.
Mpanampy
f) Mpanampy mialoha ny ho avy
Te, ta, tokony, mila, ila, madiva, diva, andeha, andao, mety, aoka, …
Oh : Tokony hianatra isika.
Mpanampy
Mety ho avy ny ora.
Mpanampy
g) Mpanampy mialoha ny ankehitriny sy ny lasa:
Sendra, avy, azo, lasa, tonga,…
Oh : Avy natory ny ankizy kely.
Mpanampy
Lasa adala ilay olona.
Mpanampy
h) Mpanampy miaraka amin’ny filazam-potoana rehetra:
efa ; aho ; saika ; kosa ; somary ; mody ; tena ; toa ; tsy maintsy ; mbola ; mba ;
Marihina fa ny matoanteny fototeny sasany dia azo ampiasaina ho mpanampy
Fanamarihana:
- Mety hifangaro ny matoanteny fototeny sy ny mpanampy EM toy ny avy, tonga, lasa.
Oh : Avy ny orana. / Avy nilalao i Lita.
EM mtt L mpp EM L
Tonga i Neny / Tonga mpanankarena aho.
EM mtt L mpp EM L
Mitovy ny hevitry ny “tonga” sy ny “lasa” raha mpanampy; fa mifanohitra kosa raha matoanteny fototeny.
· Misy koa ny mpanampy afaka manao laha-droa
Tokony mba, tokony mbola, efa dia, mba tsy…
Oh: Efa diva hilentika ny masoandro
Tokony mbola hianatra ny mazoto.