Allgemeines
Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA
I- Ny fiainany
1.1 Fiankohonana
Ny 5 Desambra 1926 izy no teraka tao Fenoarivo-Atsinanana. Azo ambara fa talenta nolovaina tamin'ny fianakaviany ny fiangaliana ny kanto. Fianakaviana avy amina razan'Andriana izay namokatra mpikabary malaza, mpamoron-kìra, mpanoratra... no nipoirany. Mpitsabo ny Rainy.
1.2 Ny fianarany
Nianatra betsaka tokoa tamin'ny fiainan'ambanivohitra R. Clarisse ary mpianatr'ilay pòety ròmantika malaza izay tsy iza fa i Jean NARIVONY izy.
1.3 Ny fivelarany
Amin'ny ankapobeny, dia nirotsaka tanteraka tamin'ny raharaha pólitìka RATSIFANDRIHAMANANA. Mpikambana tao amin'ireto fìkambanana ireto :
· "Comité de Solidante Malgache";
· "Panie ce Congrès de i'indépendance de M/'car;
· "AKFM/KDRSM, ANEA, Filohan'ny FIMAMIRE ;
· 1969-1972 : Filan-kevitry ny Tanànan’Antananarivo ;
· Komity Mpanatanteraky ny Fokontany Ambohitrakely ;
· Filan-kevibahoakan'Antananarivo ;
· 1977 : Komitin'ny Fandriam-pahalemana (Leningrad) ;
· Iraka tamin'ny Fikaonan-doha fahenina nataon'ny Mpanoratra tany Angola.
1.4 Ny asany
Sady mpanoratra no poeta tena fanta-daza i Clarisse ANDRIAMAMPANDRY RATSIFANDRIHAMANANA.
Nahazo ny mari-boninahitra Officier de l’Ordre National izy azy nodimandry tamin’ny fahairaika amby enimpolo taonany, ny 28 Jona 1987.
II- Ny maha mpanoratra azy
Tany amin'ny taona 1960 izy no nanomboka nanoratra. Mpikambana tao amin'ny UPEM sy tao amin'ny Akademia Malagasy izy. Ny tononkalo no tena nanavanana ity mpanoratra iray ity. Na izany aza, dia nanoratra tantara foronina sy angano ihany koa izy.
2.1 Boky nosoratany
· 1960: Sarinda, loka faharoa nomen'ny Antenimieran'ny Tanànan' Antananarivo tamin'ny Tononkalo ;
· 1961: Salohy, amboaran-tononkalo ;
· 1964: Fahavaratra, Loka natolotr'i Akbaraly. Marihina fa tamin'ny taona 1960 no efa voasoratra ity tantara foronina ity ;
· 1966:Lavakombarika, fifaninanana sombintantara nampanaovin'ny Fikambanana Demôkratika ;
· 1966:Tamberintany, loka voalohany tamin'ny fifaninanana nampanaovin'ny AEJM (voasoratra tamin'ny 1961);
· 1970: Ny zanako, Lokam-boninahitra tamin'ny fifaninanana tantara foronina nampanaovin'ny Sendikan'ny Mpampianatra malagasy ;
· 1979:Velan'angano, loka tamin'ny fifaninanana tantara an-dampihazo nampanaovin'ny Ministeran'ny Zava-kanto ;
· Tany vao, loka tamin'ny fifaninanana tantara foronina.
2.2 Ny asa sorany
· Tononkalo :
- Sarinda
- Aritory : Amboaran-tononkalo
- Salohy : Amboaran-tononkalo
· Tantara an-dampihazo:
- Don-tokana,
- Ratompokovavy
- Ainga sy antso
- Velan'angano
· Tantara foronina:
- Lavakombarika
- Fahavaratra
- Ny zanako
- Tany vao
· Angano:
- Inosivolafotsy sy Rakotondrano,
- Ilandivola,
- Ifelamboahangy,
- Rampandova nitady fahanginana,
- Izay nahatonga ny tany ho boribory,
- Ifarazoky sy Ifarazandry,
- Inosivolafotsy sy Ivongambola,
- Irojo tsy nety afa-po
· Tara-kevitra novoiziny:
Azo ambara fa ny tolona amin’ny fanoherana ny tsy rariny amin'ny endriny samihafa no tara-kevitra novoizin'i Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA ao amin'ny asa sorany :
- fanoherana ny fanjanahana,
- ny fanavakavaham-bolon-koditra,
- fanehoana ny fahoriam-bahoaka,
- ny fitakiana ny fitovian-jo
- …