General
NY FAMADIHANA
1. Famaritana
Ara-piforonan-teny:
f: tovona famoronana anarana
an - ……. – ana : tsirinteny sara-droa
vadika: fototeny maneho
Ara-bakiteny :
- Asa atao ho fampisehoana ny lafy tsy mbola hita amin’ny zavatra iray, toy ny akanjo, boky, tain’omby, …
- Fiovan’ny olona nitokisana nanjary fahavalo (Rakibolana Malagasy)
Famadihana : anarana ilazana ny toe-javatra miseho amin’ny endrika vaovao, tsy mbola hita
Ara-kevi-teny:
Ny atao hoe famadihana dia famonosana lamba vaovao ny razana izay efa maty na koa famongarana azy indray.
Fomba fampitana ny maty ho amin’ny tontolon’ny razana.
Marihina fa tsy ny rehetra no mamadika. Ohatra ny andriana.
2. Ny endrika isehoan’ny famadihana
Mety hiseho amin’ny endrika maro ny famadihana:
- Ny famonosan-damba ny razana izay milevina ao amin’ny fasan-drazana
- Famindrana ny razana ao amin’ny fasam-bao
- Fampidirana am-pasan-drazana ny faty natao an’irotra
- Fampodiana am-pasan-drazana ny taolam-balo ny olona maty tany am-pilana ravin’ahitra
Samy manana ny fomba fanatanterahany ny famadihana ny faritra na foko,
Ohatra amin’ireny ny any amin’ny:
- Sakalava atao hoe Fafa Lolo : fanadiovana ny ivelan’ny fasana
- Tanosy sy Antaisaka, atao hoe Takombato : fananganana tsangam-bato asiana tandrok’omby novonoina nandritra ny lanonana.
- Betsileo atsimo atao hoe Mandofo Razana : tsy mikasika razana fa rakofana lamba avy eo ambony (saforana), ….
3. Ny rafitry ny fomba
Ny fanomanana
- Herintaona mialoha dia efa mitady vola satria mila izany ny famadihana
- Mijery andro tsara any amin’ny mpanandro
- Rehefa tapa-kevitra dia mivory ny fianakaviana
- Atao ny fangatahana alalana any amin’ny fanjakana
- Mividy ny zavatra rehetra ilaina: fitafiana, lamban-drazana, ny omby,…
- Milaza mialoha amin’ny mpiara-monina
Ny fanantaterahana
- Mivory ny fianakaviana izay otronon’ny fiarahamonina
- Vonoina ny omby ka ilay omby vonoina amin’izany no atao hoe omby vadika
- Tonga manafana ny lanonana ny dobok’amponga, na ny mpitsoka mozika, na ny mpihira gasy
- Mifanampy amin’ny fikarakarana rehetra ny fianakaviana sy ny mpiara-monina
- Anaovana sakafo mantsy ny olona rehetra tonga ao amin’io fotoana io
- Ny olona nasaina rehetra dia mitondra vola atolotra ny tompon-draharaha ka io vola io no atao hoe: sao-drazana na atero ka alao, ary misy koa aza miteny hoe: kao-drazana, tsodranon-drazana
- Rehefa andeha eny amin’ny fasana dia entina mandihy ny lamban-drazana na ny razana (raha misy faty avy tany an-tany lavitra)
- Mitondra tsihy kely ny tompon-draharaha mba hametrahana ny razana rehefa fonosina
- Avoaka tsirairay any ivelany ny razana hofonosina ka rehefa vita dia ampidirina indray
- Rehefa vita ny famonosana dia ifandrombahan’ny vehivavy te hiteraka (ao amin’ny fianakaviana) ny tsihy ka ataony izay nahazo azy ao ambany kidoro satria noheveriny fa hitondra soa izany
4. Ny hevitra fonosin’ny fomba
- Fangataham-pitahiana amin’ny razana
- Fanaovana adidy
- Fanamafisana ny fihavanana sy ny firaisan-kina
- Fampiraisana karan-doha ny mpianakavy
- Ny famadihana amin’ny ankapobeny dia fametrahana ny razana ho eo amin’ny toerana ambonimbony kokoa (araka ny fiheverana) mba hahafahany mitahy.
- Ny fijerena andro tsara any amin’ny mpanandro dia mba hanambina sy hahazoana fitahiana ny zavatra atao
- Misy ny fandehanana mialoha eny amin’ny fasana mba hiantso ny razana sy hilaza amin’ny fotoana hikarakarana azy ireo atao hoe Mikoka.
- Ny zava maneno sy ny mpihira gasy dia midika fa fifaliana no atao amin’ny famadihana
- Ny toaka dia tsy misaraka amin’ny famadihana. Koa ny hevitra fonoson’ny toaka amin’ny fomban-drazana dia fanajana, fanomezam-boninahitra, fanomezana hasina
- Ny fametrahana ny tsihy any ambany kidoro dia ny fiheverana fa hahazo faramandimby
- Ny fanotronan’ny mpiara-monina ny fianakaviana dia midika ho fanamafisana ny fihavanana sy ny firaisan-kina
5. Ny fifandraisan’ny velona sy ny razana araka ny fiheveran’ny Malagasy
- Manana adidy amin’ny maty ny velona ka mikarakara azy (manafy lamba azy, mamboatra fasana ho azy, mampody azy any amin’ny fasan-drazana)
- Manana adidy amin’ny velona ny maty : mitahy, mitso-drano, miantoka ny velona
Soatoavina manana ny maha izy azy teo amin’ny Malagasy ny famadihana fa ny fivavahana kristianina no mahatonga azy hihen-danja eo amin’ny olona sasany amin’ny izao fotoana izao. Amin’ny kristiana mantsy dia fanompoan-tsampy ny fanaovana famadihana.
6. Ny vokatra ateraky ny famadihana
6.1 Ny tsara
- Fitazonana ny fomban-drazana
- Fanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankina
- Fifankahalalan’ny mpianakavy
- Ny fiezahana hitady vola
- Mahavita adidy amin’ny razana
- Fikarakarana ny tanin-drazana (trano, tany, fasana …)
- Miteraka fialam-boly ho an’ny fokonolona mpiray tanindrazana
6.2 Ny ratsy
- Mandany vola
- Mandany fotoana
- Mety hampiady ny fianakaviana ny fanantanterahana azy
- Mety hanimba fahasalamana
- Mety hisy ady noho ny hamamoana
- Mampitamberina ny alahelo
- Mampisara-bazana ny te hamadika sy ny tsy te hamadika
7. Ohabolana sy oha-pitenenana:
- “ Raha razana tsy hitahy mifohaza hihady vomanga”
- “
8. Tenina mpandinika
-