Généralités
NY FAHAFATESANA
1. Famaritana
Ara-piforonan-teny:
- f: tovona famoronana anarana
- aha - …- ana : tsirinteny sara-droa maneho toe-javatra
- fati: fototeny ( izay tsy afa-mihetsika intsony)
Fahafatesana: anarana ilazana ny toe-javatra izay tsy afa-mihetsika intsony.
Ara-kevi-teny:
Ny atao hoe fahafatesana dia ny fisarahan’ny aina amin’ny vatana eo amin’ny olona iray, ny fahataperan’ny androm-piainan’ny olona eto an-tany, fihatahana na fandaozana ny fahavelomana, fiverenan’ny nofo ho vovoka.
Fiampitan’ny velona mankany amin’ny tontolon’ny razana.
2. Ny antony mahatonga ny fahafatesana
- Ny aretina : tazo, pesta, fahatapahan’ny lalan-dra, fijanonan’ny fo tampoka, …
- Ny mosavin’olona : voankanina, raodia,
- Ny voina isan-karazany : vonoan’olona, loza voajanahary, varatra, …
- Ny famonoan-tena
- Ny fahanterana, …
3. Ny endrika isehoany
Ny amantarana fa maty ny olona iray dia:
- Tsy miaina intsony
- Mangatsiaka ny vatany
- Tsy mitepo intsony ny fony
- Mihinjitra be
- Miakatra ny masony
- Mety ho hatsatra na mangana ny endriny
4. Ny fomba atao raha misy maty:
Misy ny fombafomba atao alohan’ny fandevenana, raha misy ny olona maty.
Dingana voalohany: vao tapitra aina:
- Ahirina ny masony
- Fatorana miakatra any amin’ny loha ny valanoronany (antsoina hoe hamama)
- Azo atao ihany koa ny mamoaka ny maloto ao aminy na sesehana vori-damba ireo lavaka rehetra mba tsy ivoahan’izany.
- Ampandroina
- Ampanaovina fitafiana madio
- Ahitsy manaraka ny vatany ny ratsambatany
- Apetraka eo amin’ny toerana iandrasana azy izy
- Raha ny fomba malagasy dia eo vao mitomany amin’izay ny fianakaviana
- Ampandrenesana ny fianakaviana sy ny valala mpiandry fasana
- Tonga mampionona ny mpiara monina sady manampy amin’ny fikarakarana rehetra (vonjy taitra na midodododo)
Ohatra: - Fandaminana ny ao an-trano
- Fikarakarana ny taratasy
- Fividianana ny lamba,
Dingana faharoa: famangiana
- Maka toerana ny tompo-manjo na mana-manjo.
- Mifandimby mitsapa alahelo araka ny fandaminan’ny fianakaviana ny mpamangy. Ny fianakaviana sy ny mpiara monina tonga eo dia manolotra ny:
o Faodranomaso, solon-tsosoa, solon-dranombary tsy masaka, ho an’ny velona
o Singan-dandy na Solon-drambon-damba, Solon-kofehy ho an’ny maty
- Ny Talata sy ny Alakamisy dia andro fady ( raha tsy aorian’ny maty masoandro)
Dingana fahatelo: fiandrasam-paty
- Tahotra ny handevim-belona
- Fanehoan’ny mpira-belona ny fiaraha-mizaka ny fahoriana
- Fiandrasana ny fianakaviana lavitra
- Rosoan’ny fianakaviana ny kafe, dite, paraky, toaka ny mpiandry faty.
- Misy ny hira iarahana na ifandimbiasan’ny mpiari-tory.
Dingana fahaefatra: famonosana
- Antsoina hijery azy farany ny havany akaiky, mijanona izay te hanatrika ny famonosana
- Avelatra ny tsihy
- Alahatra ny lamba ka atao ambony indrindra ny manolo-koditra
- Asesy avy any ambony ny fatorana ka ny faralahin’olona no mamarana izany mba hifarana hatreo ny voina mahazo ny fianakaviana. Atao fato-maty ara-bakiteny ilay fatotra, raha sanatria ka tapaka dia tsy azo atohy fa asisitsisika fotsiny.
- Ampanarahina azy ny zavatra tsy foiny
Dingana fahadimy: fandevenana
- Mampahafantatra ny fotoana handevenana ny valala mpiandry fasana (ny andro Talata sy Alakamisy dia andro tsy andevenana)
- Hadina, sokafana, vohaina mialoha ny fasana (Avela hivoha elaela ilay fasana vao azo idirana satria mety hanempotra)
- Omena sakafo avokoa ny olona tonga eo amin’io fotoana io. Tsy maintsy mamono omby hatao laoka ka ny hena amin’io no atao hoe: hena ratsy na hena lofo.
- Atao amin’ny zavatra hitondrana azy ny maty (vata na tranovorona) ary avoaka eo an-tokontany ny razana, io no atao hoe manainga mavesatra ( ny tongony no alefa aloha)
- Misy ny kabary fisaorana ny mpamoaka razana, tonga manotrona sy nikarakara ataon’ny solon-tenan’ny fianakaviana. Ity no atao hoe Kabary tsy valiana.
- Entina miala ny tanàna ny razana (ny tongony no aloha)
- Ampandalovina eo ambony lohan’ireo havany ny vata-paty, na ny trano-vorona
- Raha manambady ny maty dia mitondra vato roa antsoina hoe vatovelona sy vatomaty eny am-pandevenana izy
- Misy ny fanambarana mombamomba ny fiainan’ny maty
- Ireo mbola tsy nahavita famangiana dia mamangy (miamboho fasana ny vangiana)
- Fanitrihana ny razana (ny lohany no ampidirina mialoha), mijery ny nametrahina azy farany ny fianakaviany
- Raha kambana kosa no maty dia ampanarahana vatan’akondro izy no alevina
- Rehefa voasitrika ny razana, dia atsipin’ny vadin’ny maty any amin’ny fasana ny vatomaty fa entiny mody kosa ny vatovelona
- Dorana ireo trano vorona, na tsinjarain’ny fianakaviana
- Misy ny kabary atao ho fisaorana ny mpandevina
- Raisina tanana ny fianakaviana dia mody ny mpandevina ary tsy miverina amin’ny lalàna nidirana fa lalana hafa no ivoahana (raha misy)
Dingana fahaenina: aorian’ny fandevenana
- Mandika afo ny mpandevina rehefa tonga any an-trano
- Andorana fingotra na fato-bolo ao an-trano
- Rehefa afaka andro vitsivitsy dia misasa eny amin’ny renirano ny fianakaviana, avalana rano ny akanjon’ny maty anankiray ka miara-miteny hoe ho lasan’izay ny ratsy
- Misaona ny fianakaviana: aseho amin’ny fitafiana lamba mainty, taovolo, ny an’ny lehilahy fihinina eo amin’ny sandry ny lamba fa tsy atao eo amin’ny soroka, ho an’ny vehivavy atao bango tokana ny volo dia atao any aoriana, tsy asiana menaka mihintsy ny loha mandra-piala saona, ary atao tery helika ny lamba, …
Taty aoriana vao nisy ny akanjo fotsy, na akanjo mainty, bokotra fotsy na bokotra mainty.
- Misy indray ny fotoana izay ifanarahan’ny fianakaviana hatao hialana saona
- Rehefa vita ny fandevenana dia iarahan’ny fianakaviana nijery ny zavatra lany rehetra tamin’iny fahafatesana iny (Ny ampitsony andro nandevenana: atambatra ny faodranomaso rehetra natolotry ny olona. Aterina ny volan’olona rehetra izay mbola tsy voaloa tamin’iny fahafatesana iny koa raha sendra toy ampy dia ny fianakaviana no mifampidinika amin’izay famenoana azy. Rehefa tsy ananan’ny olona trosa intsony tamin’iny fahafatesana iny ny fianakaviana vao azo lazaina hoe: tontosa ny fandevenana
5. Ny hevitry ny fomba raha misy maty:
- Ny famangiana manjo dia maneho ny fihavanana sy ny firaisankina, ho fanehoana ny fiaraha-miory, ho fampiononana ny mana-manjo.
- Ny fampandroana ny olona maty dia ho fandiovana azy tamin’ny heloka rehetra nataony, ho fampitana azy hiditra any amin’ny tontolon’ny razana.
- Ny fiaretan-tory dia tahotry ny handevim-belona, fanehoam-pihavanana, ho fanampiana, fanotronana ny mana-manjo, ho fanaovana veloma farany ilay olona maty, tahotra ny mpamosavy.
- Tsy azo atao ny mandevina Talata na Alakamisy noheverina fa andro fady ireo: Ny Talata gorobaka, ny Alakamisy manantena hisy, ka mety hisesy ny fahoriana.
- Ny famatorana ny faty avy any ambony midina mankany amin’ny tongotra sy ny faralahin’olona manao ny fatotra farany dia ny mba ho firariana ny hifaranan’ny fahoriana.
- Ny fampandalovana ny vata-paty, na ny trano-vorona eo ambony lohan’ireo havany alohan’ny hiaingan’ny mpandevina dia ny mba hitahiany ireo havany ireo
- Ny tsy hiverenana amin’ny lalana rehefa avy mandevina dia ny tsy hiverenan’ny fahoriana indray ao amin’ny fianakaviana
- Ny fanipazana vato maty any amin’ny fasana izay ataon’ny olona maty vady dia ny tsy hisian’ny fanarakarahana intsony. Sady manipy vato mantsy ilay maty vady no miteny hoe : “ ny maty vadin’ny maty, ny velona vadin’ny velona, koa aza mifanarakaraka intsony”.
- Ny mandika afo rehefa avy mandevina dia mba tsy harahin-dolo avy eny amin’ny fasana ilay mpandevina
- Ny misasa rehefa avy mandevina dia midika ho fidiovana, ho fialana loza, ho fanalana ny ratsy rehetra tamin’iny fahafatesana iny
- Ny famalanana ny akanjon’ny maty amin’ny rano dia firariana ny fitsaharan’ny fahoriana.
- Ny fisaonana dia fanehoana ny alahelo, fanajana, fitiavana, fanehoana fa havana akaiky ilay olona maty.
6. Ny lanjan’ny fandevenana eo amin’ny tontolo manodidina
- Voninahitra ho an’ny velona ary fanomezan-kasina ny maty
- Mampifandray, mampiombona, mampihavana, ifankahalalan’ny fianakaviana
- Fandraisana adidy sy andraikitra mandrintra ny fahavelomana mba tsy ho voailiky ny fiarahamonina rehefa maty.
- Fananan’ny velona finoana sy fanantenana ny fitohizan’ny fiainana aorian’ny fahafatesana.
- Fitandroana ny fahasalamana
- Tsy hahavery ny faty
- Tsy anadinoana ny loharano niaviana
- Misy ny endrika hita maso anehoana fa omen-danja ny fandevenana arakaraka ny fahefa-manaon’ny fianakaviana:
o ny fividianana omby hovonoina
o fividianana lamba maro
o fisian’ny fianakaviana maro manotrona …
7. Ohabolana sy oham-pitenenana
- “Mamy ny miaina, aleo maty rahampitso toy izay maty anio.”
- “ Ny loza be maty tsy an-trehin-kavana dia toy ny adrisa ka mamikitra ahitra irery.”
- “ Ny anongotsongoana ny maty tahotra ny handevim-belona.”
- “ Raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby.”
- “ Ny velona arahim-potsimbary ny maty arahin-dambamena.”
- “ Mananjara izay malahelo misy mpampionona fa lavo misy mpanarina.”
- “Andevolahy maty hariva ka vovon’amboa no solon-tafondrony.”
- “ Tsy tsara ny ranomaso tsy miaraka amam-paty.”
- “Mifankatiava dieny mbola velona fa rehefa maty anie hifanondana ihany”
- “Velona iray trano, maty iray fasana.”
8. Tenina mpandinika sy mpanoratra
· ANDRIANAMPOINIMERINA:
- “ Ny nofoko no hilevina fa ny fanahiko sy ny saiko hitoetra aminareo sy Damalahy ihany.”
- “ Ny maty indray mandeha leo ihany fa ny maty fanindroany no tsy tanty”
· R.P RAJARIZAFY : “ Raha vintan-ko faty, tsy mba azo hazonina ny aina, ary vitan-ko velona, tsy mba azo vonoina ny aina.”