Allgemeines
NY RAZANA
- Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny
Avy amin’ny teny Indoneziana hoe “rajan” izay midika hoe loharano nipoirana
1.2 Ara-kevi-teny
- Fahiny : ny razana dia ilazana ny olona efa maty vita fombafomba isam-paritra
- Ankehitriny : ny olona rehetra nindaosin’ny fahafatesana: “Izay maty Razana”
Fombafomba isam-paritra:
Teto afovoantany ohatra: Ampandroana, andrasana, fonosina, alevina am-pasan-drazana, izay vao lasa razana.
Tsy miditra am-pasan-drazana kosa ny jiolahy, mpamosavy, ny boka, ny vehivavy momba, ny andevo, ary ny lehilahy tsy voafora...
- Ny toetrany
· Mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra
· Mitombo hasina
· Mifandray amin’ny velona amin’ny endrika hita maso (tromba, hazomanga, madiro, fanano, dobomasina, vatomasina, …)
- Ny asany
· Noheverina fa mitahy
· Mampiray hina sy mampifankatia ny velona
· Mamela lova ho an’ny taranaka
· Mananatra
· Manafay
- Ny vokatry ny finoany
4.1 Tsara
- Miteraka fifananjana eo amin’ny samy velona
- Mampiray hina
- Mampifankatia
- Mitarika fanajana ny fady sy ny fomban-drazana
- Mitahiry ny tantaram-pianakaviana (Tetiharana)
-
4.2 Ratsy
- Mandany harena
- Mampisara-bazana fianakaviana
- Mahatonga finoanoam-poana
- Tsy mampivoatra
- Mahatonga adim-pinoana eo amin’ny fiarahamonina
- Misakana ny olona tsy handray andraikitra
- Fifamatoran’ny velona sy ny razana
5.1 Antony inoana ny Razana
- Fifindrana tontolo hafa: “Toa heverina fa manan-draharaha lehibe momba ny fanelanelanana an’ Andriamanitra sy ny olombelona izy.” RAINIHIFINA Jessé.
- Fisian’ny hery tsy hita maso: “Manome hery hahavitantsika izay zavatra kendrentsika ny razana.” Charles RAVOAJANAHARY
5.2 Ny adidin’ny velona amin’ny razana
Mino ny fifandraisan’ny velona sy ny maty tsy tapaka ny Malagasy, mieloelo mitazana ny velona ny razana, koa adidin’ny velona ny manaja azy
- Fomba fiantsoana azy: Itompokolahy sy Itompokovavy
- Fikarakarana ny faty
- Fanaovana fasana tsara
- Fanatanterahana famadihana
- Fikarakarana ny lova napetrany
- Fanajana ny fadiny
- Fanohizana ny asany
- Fanarahana ny hafany
Noho ny finoan’ny Malagasy ny fitahian’ny Razana dia narindrany tamin’izany avokoa ny fiainany manontolo( ny fihetsiny ny fifandraisany tamin’ny manodididna azy,ny fanatontosany ny foto-pivelomany) koa tsy mampaninona azy ny mandany vola aman-karena sy fotoana tamin’ny fanompoana ny Razana.
Fanamarihana
- Tsy sahiny omena tsiny Andriamanitra: “Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro fa ny olona no be siasia”
- Sahiny omen-tsiny ny Razana: “Raha Razana tsy hitahy , mifohaza hiady vomanga.”
5.3 Adidin’ny Razana amin’ny velona
- Fiahiana ny fiainan’ny olona ka mahasahana ny lafim-piainana rehetra.
- Fiarovana ny fiainan’ny olona
- Mifandray amin’ny alalan’ny nofy ny velona sy ny Razana ( mety ho amin’ny alalan’ny tromba ihany koa)
- Ohabolana sy ohapitenenana
· “Mitahia fa lasan-ko razana”
· “Raha razana tsy hitahy fohazy hihady vomanga”
· “Aza manalokaloka ohatra ny razana tsy hitahy”
· “ Tsy nitsontsorika avy any an-danitra, tsy nitrebona avy amin’ny tany ny aina fa nolovaina avy amin’ny razana”
· “Raha razana tsy hitahy, mifohaza hihady vomanga”
· “Aza manalokaloka ohatra ny razana tsy hitahy”
· “Sendra masaka no tokony hihinana, tonga tsy nantsoina nasesiky ny razana”
· “Ny anongotsongoana ny maty, tahotra ny handevim-belona”
· “Velona iray trano, maty iray fasana”
· “Ny maty aza mba te ho maro”
- Tenina mpandinika
- Michel RANDRIA:
o “ Manaraka ny zanahary sy Andriamanitra dia ny Razana”
o “Masina mihitsy ny tsodranon-drazana. Manan-jo ny hafa-drazana ary mahery ny ozon-drazana ka atahorany sy tandremany mafy”
o “Ny atao hoe Razana ankapobeny dia ny efa maty rehetra tsy an-kanavaka”
o “Ny voalohany indrindra (amin’ny fanajana ny Razana) dia ny fanajany ny ataony hoe vako-drazana (…) Fitahirizana ny hafatra sy ny zavatra amam-pananana rehetra navelan’ny razana. Faharoa ny fikarakarana ny fasana ilevenany sy famonosan-damba ny taolambalony”
o “… Ny Razana no voalohany indrindra ankatoavina sy hajain’ny Malagasy”
o “Ny Razan’ny Mpanjaka dia natao hoe Razana masina iombonan’ny rehetra”
o “Ny omby vonoina amin’ny maty dia karazan-tsoratra atao amin’ny Razana”
- RANDRIANJOANIMANANA Olivier:
- “Sakana tsy mampandroso ny firenena ny finoana ny Razana”
- “Ny fiheverana ny Razana ho fototra iray niaviana no mbola mampirindra ny fiainam-piaraha-monina”
- “Antoka iray mampisy ny firaisam-pirenena ny finoana ny razana”
- RANDRIAMAHENINA: “Ny hafatra sy ny ozon-drazana dia manan-kery amin’ny naterany”
- RATREMA William: “Entina manondro Raibe sy ny Renibe loharano nipoirana”
- Charles RAVOAJANAHARY:
- “Miantoka antsika ny razana”
- “Manome hery hahavitantsika izay zavatra kendrentsika”
- “Io foto-kevitra momba ny razana io ihany koa no manery ny velona hiray”
- RAVELOHARISON Bernard: “Raha mahavita zavatra ve ny maty, hisy kamboty hijaly, sa mihamafy fo ny olona rehefa maty ka n any zanany aza tsy tsaroany”
- Dox : “Mba ho anatry ny velona ireo maty dia miteny”
· Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA in Lavakombarika: “Vory lanona ny iray tanàna sy ny manodidina fa mamadi-drazana ny tao amin-dry Nenibe”
· August RAJAONA: “Ririnina sy lohataona”: “Handa ve ?,sao dia hanao tsinontsinona ny hafatry ny maty.”
· Régis RAJEMISA RAOLISON in Loharano: “Tsy maintsy fonosin-dambamena ny Razana rehefa hita fa lo ny lamba nifonosany ary tsy avela hiparitaka ny taolam-balony.”