Allgemeines
NY TENDRY
1. Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny
· Fototeny ahazoana sampan-teny hoe: mitendry; voatendry: mifantina feo avy amin’ny zava-maneno iray hatambatra sy harindra mba hahazoana feon-kira ny tendry.
· Ny hoe manendry kosa dia misafidy olona hampitana iraka.
1.2 Ara-kevi-teny:
· Ny “tendry” dia baiko na didy manondro olona hanatanteraka asa mazava iray, na manondro andraikitra horaisina, na manondro toerana haleha.
· Anjara manokana azon’ny olona ka mahatonga azy hiavaka amin’ny hafa ao anaty fiarahamonina.
· Fanondroana mahatonga ny olombelona hiharan’izao sy izao.
· Fandraisan’ny olona ny anjara toerana natolotra azy.
2. Ny loharano nipoirany
· Avy amin’Andriamanitra ny tendry; antso manokana mba hanatanterahana andraikitra.
· Eo amin’ny fiarahamonina ankehitriny: dia hita ihany fa misy ny fanendrena ataon’ny manam-pahefana eo amin’ireo ambany fifehezany.
· Avy amin’ny feon’ny vahoaka
3. Ny endrika isehoany
· Tsy miankina amin’ny sitrapo sy ny safidy ny tendry, ka tsy azo lavina, fa tsy maintsy ekena sy zakaina satria avy amin’Andriamanitra ny tendry.
· Mety ho ratsy ny tendry raha mampietry voninahitra aman-kasina
· Tsy afa-misaraka amin’ny vintana, anjara, lahatra ny tendry.
· Avy amin’ny solon-tenan’Andriamanitra (Vahoaka)
· Misy koa ny olona no manendry tena
4. Ny vokatry ny fanendrena
4.1 Tsara
· Mety ho tsara ny tendry raha maneho fisondrotana eo amin’ny asa.
· Mampisy fitokisan-tena
· Mihatsara sy mandroso ny fari-piainana
· Manana hery ahafahana mamaha olana
· Mitombo ny seha-pifandraisana
· Henoin-teny
4.2 Ratsy :
· Mety ho ratsy kosa raha mahatonga fietren’ny voninahitra aman-kasina maha olombelona.
· Politika ihazonana ny tombotsoa manokana eo amin’ny sokajin’olona vitsy
· Mihen-danja ny fifampitokisana sy ny fifampitsimbinana.
· Miteraka fialonana ny fahitana ny olom-boatendry
· Mampizahozaho ny voatendry
5. Ohabolana
· “Aza manendry tena toy ny alika ho any an-tsena.”
· “Ody voatavo no nifanarahana ka tendry mosavy no hita.”
· “Ny zanakao no soa tia ratsy ka ny zanak’olona no tendren-kanana ody.
· “Tsy mety raha mandeha tsy voizina toa lakan-jejo na manendry tena, toy ny amboa ho any an-tsena.”
6. tenina mpandinika
· Fernand KASANGA: “Ny tendry dia ny mahasalama na ny mahafarofy na matanjaka na malemy ny olombelona.”
· Andrianampoinimerina: “Foin’Andriamanitra ho ahy ny tany sy ny Fanjakana.”
· Louis Paul RANDRIAMAROLAZA:
o “Ny tendry dia endrika sy tohin’ny lahatra ihany.”
o “Tsy misy na inona na inona azo atao hafa tsy ny fandraisana sy ny fanekeny, fa raha tsy izany dia ny ainy no manefa.”
· Ny Avana : “Ny zava-drehetra mandeha ara-tendry.”
· Ny tendrin’ny avo ka zavatra tsara.
· Dox: “Ry foko, mionona, manaova alahelo hendry
Ka ekeo ho fitondrana ny anjara sy ny tendry.”
· Michel ANDRIANJAFY : “Nasondrotr’Andrandriamanitra amin’izao toerana izao aho”, in Orimbaton’ny fiadanana.
· Nalisoa RAVALITERA: in Tovozin-tsy ritra tak 80: “Matoa voatendry dia efa voalahatra ary mifanaraka amin’ny vintana ny fanendrena azy, tsy mety ho lasan’olon-kafa ny anjara na dia ao anaty aza izy.”