Allgemeines
NY LAHATRA
1. Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny:
Fototeny ahazoana sampan-teny toy ny hoe: mampilahatra, filaharana, milahatra, mandahatra izay mitovy hevitra amin’ny hoe mandamina (lahatra lamina), fametrahana amin’ny tokony ho toerany ny zavatra iray ny lahatra.
1.2 Ara-kevi-teny:
· Sokajy nametrahana ny zavaboaary tety an-tany ary isan’izany ny olombelona.
· Lamina efa voapetraka tsy maintsy arahin’ny fizotry ny fiainan’ny olona: vao teraka, mandra-pahatongan’ny fahafatesany.
· Fandaminan’Andriamanitra tsy azo ovana sy tsy azo ihodiviran’ny zavaboaary tsirairay hatrany am-piandohana na dia miezaka mandamina ny fiainany aza ny olona.
2. Ny loharanom nipoirany
· Avy amin’Andriamanitra ny lahatra.
· Fandaharana ataon’ny olombelona amin’ny zavatra na olona manodididna azy.
Ohatra: ny ora fidirana any am-pianarana; karaman’ny mpiasa… saingy efa voalahatr’Andriamanitra izany fotoana izany.
3. Endrika isehoan’ny lahatra
· Andriamanitra no mpandahatra sy tompon’ny lahatra; didy tsy maintsy ekena, tsy azo lavina, tsy azo ovana, tsy azo toherina ny lahatra
· Tsy ananan’ny olona fahefana
· Tsy azo terena hanaraka ny safidy, na dia miezaka hifehy ny lahatra amin’ny alalan’ny fahatakaran’ny sainy aza ny olombelona.
· Samy manana izay nandaharan’Andriamanitra ny fiainany ny olombelona tsirairay, ka mety ho ela velona na tsy hateza.
· Misy dingana ny laha-piainana: fahaterahana, fidirana amin’ny fiaraha-monina, fandraisana adidy, fananam-panahy, fahafatesana, fiainam-panahy,...
4. Toetry ny lahatra
· Tsy azo ovaina
· Mety ho lava mety ho fohy
· Azo alamina avy amin’ny ezaky ny tsirairay
· Mety ho rava vokatry ny safidin’ny tsirairay
·
5. Ny vokatry ny finoana azy
5.1 Tsara
· Manamafy orina ny finoana an’Andriamanitra sy ny fahefany
· Mamolavola ny sain’ny olona hiatrika izay miseho
· Manentana ny olona hanitatra ny fahaizana amam-pahalalana
· Mahahalala ny andraikiny araka ny anjara toerany ny olona
· Miteraka fifanajana eo amin’ny mpiara-monina
· Mitarika ny olona hankato an’Andrimanitra
· Miteraka hanaja ny mpitantana
· Mahatonga fiononana manoloana ny fahoriana, fijaliana, tsy mety
5.2 Ratsy
· Tsy mampivoatra
· Mahatonga finoanoam-poana
· Miteraka famoizam-po noho izy tsy fantatra mialoha
· Fototry ny tsy fifankazahoana eo amin’ny fiarahamonina samihafa fari-piainana
· Mahatonga ny fanomezan-tsiny an’Andriamanitra
· Miteraka tahotra, horohoro
· Misakana ny fivoaran’ny fikarohana ara-tsiantsa
6. Ohabolana sy oha-pitenenana
· “Fikasana an’olombelona fa ny didy an’Andrimananitra”
· “Aza mimenomenona amin’ny anjara fa tsy ny olombelona no tompon’ny lahatra.”
· “Tsy misy biby te ho kary fa mahery ny laha-janahary.”
· “Aza latsaina ny momba fa Andriamanitra no tompon’ny lahatra.”
· “Aza manantena hery fa ny lahatra tsy azo rombahina.”
7. Tenina mpandinika
· RAHAJARIZAFY: “Inoany (ny Malagasy) fa lahatr’Andriamanitra no mampisy azy sy mitondra azy ary miantso azy any am-parany(…) lahatra avy amin’ny Zanahary ny fanambinana na ny fahasoavana eo amin’ny fiainana manontolo.”
· “ Lahatra avy amin-Janahary no ahataperan’ny andron’ny olona eto an-tany”
· “ Fandaminan’Andriamanitra ny zava-drehetra hatrany amboalohany indrindra ka hatrany amin’ny farany indrindra izay samy tsy hita fetra.”
· “ Ny fahafatesana tsy mba heloka akory, ny fahavelomana tsy fahamarinana, fa Andriamanitra no tompon’ny Lahatra.”
· “ Tsy misy hihodivirana ary tsy misy hisafidiananao (…) fa tsy maintsy mizotra amin’izay efa voasoratra ianao.”
· “ Efa voasoratr’ilay Nahary anao ny diam-piainanao manontolo”
· “ Lahatra! … Rehefa izay no voatonona dia tsy manam-pitroarana ary tsy manan-kiakiaka izy, fa miondrika sy mangina”
· “ Hany hery ekeo ny lahatra fa hadalana ny maika hanana.”
· Esther RANDRIAMAONJY:” Inona no azo ambara manoloana ny fandaharana tsy azo ihodivirana? Mahay mampihena ny fangirifirian’ny nofo ihany ny olombelona(…) saingy tsy manana fahefana na hery handresy na hanemotra ny fetr’andro nomena azy.”
· Nalisoa RAVALITERA: “Matoa voatendry izy dia efa volahatra, ary miafanaraka ami’ny vintana ny fanendrena azy, tsy mety ho lasan’olon-kafa ny anjarany na dia ao anaty vahoaka maro aza izy.”
· Antoine de Padou RAHAJARIZAFY: “Tsy azo ihodivirana… fa tsy maintsy mizatra amin’izay efa voasoritra ianao.”
· Antoine PRAHAJARIZAFY: “Tsy azo ihodivirana … fa tsy maintsy mizotra amin’ny voasoritra ianao, efa voasoritr’ilay Nahary anao ny diam-piainanao.”
· Michel RANDRIA: “Zanahary no Tompo nahary ny zava-drehetra sy tompon’ny aina rehetra, nefa araka izay hita eto an-tany kosa dia ny olombelona izay tendreny hifehy sy hitondra no miandraikitra sy solontenany.”
· Adolphe RAZAFINTSALAMA: ”Izy mpahary indrindra no fototr’io lamina na fandaharana io.”
· Régis RAJEMISA RAOLISON: “Ny atao hoe lahatra dia ny fahaizan’Andriamanitra mitantana ny fiainana”
· Tovonanahary RABETSITONTA: “Tsy lahatra akory ny fahantrana”
· ANDRIAMAMPIHATONA: “Heverina fa efa voajanahary hatrany amboalohany ny toerana sy fotoana hitrangan’ireo anjara samihafa voatokana ho an’ny olona tsirairay eo amin’ny fiainany ireo”
· E.D. ANDRIAMALALA: “ Matahotra ny ankasomparan’ny Lahatra sy ny sangy maherin’ny Vintana aho”